Ambalavao: Notifiriny ankitsirano ny raibeny, nitifi-tena ilay zandary avy eo

  • lundi, 17 février 2020 16:32
  • Zakaria
  • Sary: ZP

Maty nitifi-tena tamin'ny basim-panjakàna, zandary kilasy faharoa iray miasa ao Mandrosonoro, Distrika Ambatofinandrahana rehefa avy nitifitra ka nahafaty ny raibeny.

Tamin'ny fandalovany tao Ambalavao raha namita iraka tany Ambositra, ny alin'ny 16 hifoha 17 febroary 2020 no nitrangan’ity loza ity.

Nidina any an-toerana avy hatrany vao nahazo fanairana ny komandin'ny vondrotobim-paritry ny Zandarimaria Ambatofinandrahana hanao fanadihadiana lalina ahafantarana ny tena antony.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.