Ny Rado Rafalimanana: Nalefa nody fa miverina eny amin'ny Fitsarana rahampitso

  • lundi, 17 février 2020 16:06
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina fampihaingoana

Voaantso teny amin'ny Toby Ratsimandrava i Ny Rado Rafalimanana androany maraina. Tonga teny izy dia nomena taratasy fampahafantarana fa mila miseho eny amin'ny Fampanoavana ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo.

Vao naharay an'izay taratasy fampahafantarana azy ity filohan'ny ONG Ny Fanahy no Maha Olona dia niazo avy hatrany teny amin'ny Fampanoavana.

Nomena taratasy fampahafantarana indray koa izy tao milaza fa ilain'ny Fitsarana izy rahampitso ka mila miveria eny Anosy.

Tsy nisy famotorana natao an'i Ny Rado Rafalimanana na teny Andrefanambohijanahary na teny Anosy, tsy mbola voafaritra mazava ihany koa ny iampangana azy fa tombatombana avokoa hatreto no ré.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.