Ambilobe: Potiky ny tora-bato ny birao, may ny fiara tao amn'ny Kaomisarian’ny Polisim-pirenena

  • lundi, 17 février 2020 16:04
  • Zakaria
  • Sary: ZP

Nampisavorovoro ary niteraka fahatezeram-bahoaka teto Ambilobe ny fampitam-baovao tamin'ny facebook nilaza fa voasambotry ny Polisy tany amin'ny Kaominina Mantaly Distrika Ambilobe, omaly 16 febroary, ny tompon'antoka tamin'ny famonoana vehivavy iray mitondra vohoka 7 volana, tsy hita namboka ny 03 febroary 2020.

Nirohotra nandeha tao amin'ny biraon'ny Kaompanian’ny Zandarimaria ny vahoaka omaly hariva hitady io mpamonolo olona voasambotra io. Rehefa tsy hitan’izy ireo tao dia niazo ny biraon'ny Kaomisarian’ny polisim-pirenena ny vahoaka ka namotika sy nitora-bato ny birao ary nanimba sy nandoro fiara nitoby tao rehefa tsy nahita ilay voarohirohy.

Niditra an-tsehatra ny Zandarimariam-pirenena nanampy ireo namany niaro ny Mpiasa sy ny tobin'ny Polisim-pirenena.

(Jereo sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.