Mahanoro: Vedety fefiky ny rano, avotra ireo olona 11 tao anatiny

  • lundi, 17 février 2020 09:39
  • Zakaria
  • Loharanom-baovao: APMF Madagascar

Avotra soa aman-tsara ireo olona miisa 11, ka lehilahy ny 6, vehivavy ny 3 ary ankizy 2, izay nitaingina lakana haingam-pandeha nanaraka ny lakandranon’ny Pangalanes tany Mahanoro, ny marainan’ny alahady 16 febroary, izay nentin’ny rano vokatry ny rotsak’orana betsaka sy ny tafio-drivotra nentin’ny andro ratsy « Francisco ».

Nanomboka ny zoma 14 febroary 2020 nandalovan’ny andro ratsy "Francisco" teto Madagasikara dia vedety 2 hafa nifatotra amoron-drano no hita sy notarihin’ny vedety haingam-pandehan’ny APMF tany amin’ny 4km sy 10km miala avy eo Mahanoro.

(Loharanom-baovao: APMF Madagascar)

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.