Ambatondrazaka: Zandary avy namita iraka matin’ny herinaratra, olona iray sendra nandalo maty may koa

  • dimanche, 16 février 2020 20:38
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

Namono olona roa ny herinaratry ny Jirama omaly hariva. Tao Vohitsara Kaominina Ambohitsilaozana, Distrika Ambatondrazaka no nitranga ny loza.

Zandary nanao taingin-droa tamin’ny moto, avy namita iraka no voasaringotry ny tariby mitondra herinaratra mahery vaika, nikiraviravy. Maty tsy tra-drano, niraikitra teo ilay zandary ; nipitika tany anaty tatatra teo ampianjerana kosa ilay sivily niaraka taminy nanao taingin-droa.

Nisy kubota nandalo fotoana vitsy taorian’izay. Nisy tovolahy iray izay nahatsikaritra ny loza efa niseho ka nihazakazaka nanivaka tany anaty bozaka hanakana ilay kubota mba hilazana fa misy tariby misy herinaratra ka mila mitandrina, kinanjo izy ndray no voasaringotry ny tariby ary maty tsy tra-drano ihany koa.

Avotra kosa ilay lehilahy nipitika tao anaty tatatra, nanao taingin-droa tamin'ny moto niaraka tamin'ilay zandary.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.