Fandalovan'ny Francisco: Dibo-drano ny CEG Ratsimilaho, niditra am-piangonana ny rano ao Mahanoro

  • dimanche, 16 février 2020 17:22
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Faritra isan’ny nolavovan’ilay andro ratsy Francisco i Atsinanana. Maro ireo tanàna dibo-drano vokatry ny orana nentiny, toy ny CEG Ratsimilaho ao Toamasina. Miakatra ny rano amin’iny faritra MAVAM misy an’i Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampontsy ary Marolambo iny.

Hamakivaky ny afovoantany ity andro ratsy ity ary heverina hivoaka an-dranomasina any Menabe ny rahona miaraka aminy anio Alahady na Alatsinainy.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.