Frantsa: Nisy Sinoa iray matin’ny « Coronavirus »

  • samedi, 15 février 2020 21:55
  • Zakaria
  • Sary Le Figaro

Lahiantitra iray, mpizahatany teratany Sinoa, 80 taona, no matin’ny coronavirus omaly zoma. Nanamafy izany ny minisitry ny fahasalamana frantsay Agnès Buzyn. Ity no fahafatesana voalohany ivelan’i Azia, hatramin’ny desambra 2019 niandohan’ity valanaretina ity tao Wuhan, Chine.

Tamin’ny 23 janoary no tonga tao Frantsa ity Sinoa lahy 80 taona mpizahatany ity niaraka tamin’ny zanany vavy iray, 50 taona. Niditra hopitaly tao Bichat-Paris izy ny 25 janoary rehefa nahitana soritr’aretina « coronavirus » dia izao nindaosin’ny fahafatesana izao.

Tsy misy ahiana koa ny fahasalaman’ilay zanany, izay niditra hopitaly niaraka tamin’ny rainy tao Bichat ihany koa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.