Coronavirus: Nitarin’ny Air Madagascar hatramin'ny 30 aprily ny fampiatoana ny sidina Antananarivo - Guangzhou

  • samedi, 15 février 2020 09:23
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanapa-kevitra ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka nasionaly Air Madagascar fa hanitatra ny fampiatoana vonjimaika ny sidina Antananarivo – Guangzhou – Antananarivo, mandrampahatonga ny 30 aprily 2020 raha toa ka tokony ho tapitra tamin'ny 29 febroary 2020 izany. Ny antony dia noho ilay valanaretina « Coronavirus » any Chine izay tsy mbola voafehy hatreto.

Namoaka fanambarana mikasika izany ny Air Madagascar omaly, ary nandray fepetra ho an’ireo mpandeha efa nanao famandriahana ka tafiditra anatin’io fe-potoana io ; na ahemotra amin’ny daty hafa ny famandrihana na averina manontolo ny vidin’ny tapakilany.

Hatramin'ity maraina ity dia miisa 1519 ny Sinoa namoy ny ainy vokatr’ity « coronavirus » ity. Etsy ankilany, ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) dia milaza amin’ny fomba miolaka fa « aloha loatra raha izao no hilaza fa voafehy ity valanaretina ity ».

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.