Tolagnaro: Zandary iray nidoboka am-ponja

  • mercredi, 12 février 2020 21:13
  • Zakaria

Nandrahona ho faty tamin’ny basy teny an-tanany ny Ben’ny tanàna Ifarantsa, Distrikan’i Taolagnaro sady nanakorotana tao amin'ny biraon’ny Kaominina ity zandary ity ny folakandron’ny 04 febroary 2020 rehefa nentin’ny hamamoana.

Zandary miasa ao amin’ny kaompanian’i Tolagnaro izy io, fa nalefa hamita iraka tao Ifarantsa. Nasaina nalain' ny « Chef de patrouille » ny basy teny amin'io zandary io, ary nentina tao Tolagnaro avy hatrany ihany koa ilay zandary nandika lalàna nanokafana fanadihadiana.

Natolotra ny Fampanoavana androany Alarobia maraina izy ary dia tazomina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Tolagnaro.

Enina izao ireo zandary voatana am-ponja vonjimaika nanomboka tamin’ny 1 janoary 2020, ary nahatratra 82 izy ireo nandritra ny taona 2019.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.