Beraketa - Bekily: Avotra ireo vehivavy roa nalaina ankeriny, dahalo 3 no lavo

  • mercredi, 12 février 2020 15:45
  • Zakaria
  • Sary: ZP

Vehivavy roa no nisy naka an-keriny tao Antsarety, Fokontany Ampandrandava, Kaominina Beraketa, Distrikan’i Bekily, omaly 11 febroary 2020 tamin'ny 10 ora maraina. Dahalo miisa 5 mitam-basy no nanatanteraka ny asa ratsy.

Roso avy hatrany tamin'ny fanenjehana niaraka tamin'ireo Fokonolona, ny Zandary avy ao amin'ny « Poste fixe » Ampandrandava vao nahazo fampandrenesana.

Nisy ny fifandonana teo amin’ireo dahalo miaraka amin'ny takalon'aina akilany, sy ny Zandary miaraka amin'ireo Fokonolona andaniny, rehefa tonga tao amin’ny toerana atao hoe : Ambatobe Andriry, ka teo no naha votsotra teo ampelan-tanan’ireo olon-dratsy azy roa vavy.

Lavo ny telo tamin’ireo dahalo, tsy nisy voakitika kosa na ny Zandary sy ny Fokonolona mpanaradia. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo roa tafatsoaka.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.