Ambatondrazaka: Renim-pianakaviana iray maty tampoka tao anaty saha

  • lundi, 13 janvier 2020 14:51
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona eo no maty tampoka tao amin'ny saha iray ao anatin'ny zanabohitra Podium Fokontany Atsimondrova Ambatondrazaka androany alatsinainy 13 janoary maraina.

Tamin'ny 8ora sasany maraina no nisy nampandre ny tompon'ilay saha fa misy olona ao amin'ny taniny. Nidina nijery izany ilay tompona saha ka taitra nahita ilay renim-pianakaviana nilomany nitady rano, ka nampandre avy hatrany ny manodididna. Ireo mpiray vodirindrina avy eo no nanome rano mafana ilay ramatoa, fa ilay tompon'ny saha kosa lasa nampandre ny sefo Fokontany.

Akory ny hatairan’ny sefo Fokontany sy ilay rangahy tompon’ny saha rehefa niverina tao amin'ilay toerana fa tsy nisy aina intsony ilay renim-pianakaviana. Hatramin'ny ora nandefasana ity vaovao ity dia tsy mbola fantatra izay mety fianakavian’ilay ramatoa sy ny mety antony nahafaty azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.