Andry Rajoelina : « Tsy hitsahatra ny hanohana sy hanolo-tanana hamerenana ny hasin’ny Tafika Malagasy »

  • dimanche, 12 janvier 2020 17:21
  • Zakaria
  • Sary nomena

« Amin’ny maha filoham-pirenena no sady filoha faratampon'ny foloalindahy ahy dia tsy hitsahatra ny hanohana sy hanolo-tanana hamerenana ny hasin’ny Tafika Malagasy ny tenako ; indrindra amin’izao taona 2020 hankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny Tafika Malagasy izao ». Nambaran’ny filoha Andry Rajoelina io androany, nandritra ny fiarahany niara-nankalaza ny Andron’ny manamboninahitra fanao isaky ny 12 janoary, teny Iavoloha niaraka tamin'ny minisitry ny fiarovam-pirenena, jeneraly Rakotonirina Léon Jean Richard,.

« Hanjaka hatrany eo anivon’ny Foloalindahy anie ny firahalahiana, ny firaisankina ary firaisan-tsaina sy firaisam-po », hoy izy.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.