Guy Rivo Randrianarisoa: « Resy aho teto Antsirabe »

  • jeudi, 28 novembre 2019 11:06
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny facebook i Guy Rivo Randrianarisoa, androany, milaza fa « Resy aho teto Antsirabe raha ny vokatra vonjimaika. Izaho manaja ny vokatra sy ny feom-bahoaka na inona na inona zava-miseho »

Notsiahiviny fa « fitiavako hanarina ity tananantsika ity no nilatsahako ary izay hampandroso azy no faniriako », ka isaorany ireo rehetra nifidy sy nanampy azy.

« Mionona sy miandry zavatra hafa ny ankamaroan’ireo mpiaradia amintsika ary tsy marisika amin'ny fifidianana intsony », hoy hatrany ny fanambaran’ity kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara, tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Antsirabe renivohitry ny Faritra Vakinankaratra ity.

Mirary soa ny mponin’Antsirabe hahazo zava-tsoa ny tenany. « Izaho moa efa niverina eto ary efa manana orinasa eto koa dia miaraka eto foana isika », hoy i Guy Rivo Randrianarisoa namarana ny teniny.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.