Andrefan’Ambohijanahary: Novaina ny lisi-pifidianana, nanjavona ny anaran’ny mpifidy

  • mercredi, 27 novembre 2019 18:44
  • Zakaria

Tsy lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin’ny volana mey 2019 no tao amin’ny EPP Andrefan’Ambohijanahary, Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra.

Olona nandatsa-bato tao amin’ny BV n°1 tamin’ny volana mey, nafindra any amin’ny BV n°4, ary niova sady diso ny anarany. « Rakotovazaha » nanjary « Rakotocazaha », nefa ny laharana kara-panondro sy ny kara-pifidianana tsy niova, izany hoe namerina nanao "saisie" indray izany, nefa ny lisitra efa nakatona tsy kasikasihina intsony.

Novaina ny lisi-pifidianana satria nisy olona tonga nifidy tamin’ny volana mey, nefa nanjavona tsotra izao tao anaty lisi-pifidianana raha tonga hifidy androany maraina. Tsy tranga iray na roa fa maromaro no sendra io tranga io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.