Andranomanelatra-Antsirabe II: Lehilahy avy nijery savik’omby, maty voadoan’ny fiara

  • lundi, 18 novembre 2019 09:19
  • Zakaria

Lehilahy iray no maty voadonan’ny fiara ny alahady 17 novambra 2019, tao Andranomanelatra-Antsirabe II, tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany alina. Teo amin’ny toerana tsy lavitry ny Garan-damasinina teo aloha no voafaokan’ny fiara ity lehilahy ity, raha ny angom-baovao ihany.

Nambaran’ireo manodidina fa ny firefotry ny fifandonana no nanaitra ny nanodidina ka nivoahan’izy ireo ny trano, no nahitana ity lehilahy voadona ity, izay maty tsy tra-drano avy hatrany. Nirifatra nanohy ny diany ilay fiara nandona fa tsy nijanona, ny andro rahateo efa maizina.

Ny mpitandro filaminana tonga nijery ny loza no nahafantarana fa mponina avy any amin’ny Fokontany Ambolotsararano, Kaominina Andranomanelatra ity lehilahy ity, ary nikasa hody izy izao voadonan’ny fiara izao.

Misokatra ny fanadihadiana, saingy mahakely finoana ny mety ahitana izay nahavanon-doza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.