Miandrivazo: Miaramila mamo nandratra ny miaramila namany tamin’ny basy teny an-tanany

  • samedi, 16 novembre 2019 10:21
  • Zakaria

Tao Besomaty, Kaominina Manandaza, Distrikan’i Miandrivazo no niseho ity loza ity ny 13 novambra teo. Miaramila kaporaly manatevina ZRPS Bravo, mamita iraka momba ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritr’i Betsiriry iny no namoa-doza noho ny toaka nosotroiny.

Niantefa tamin’ny fen’ilay miaramila, kaporaly namany, ny bala ary gorobaka ny fen’ity farany. Nalefa notsaboina avy hatrany ao amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana – Antananarivo ny maratra.

Miandry ny fanomezan-dalan’ireo lehibe mpifehy isan’ambaratonga ny fanokafana fanadihadiana ity tranga ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.