Haintrano: Nieren-doza ny Lapam-panjakana Iavoloha

  • vendredi, 15 novembre 2019 10:00
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nirehitra ny trano fivorian'ny miaramila eny Iavoloha ny harivan'ny alakamisy 14 novambra 2019. « Noho ny andro ratsy sy ny kotro-baratra », izay niteraka « fipoahan'ny herinaratra (court circuit) no nahatonga ny firehetan'ny trano », araka ny fanambarana nataon’ny serasera sy fifandraisana eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika.

« Trano eo ivelan'ny faritry ny Lapam-panjakana Iavoloha no nirehitra ». « Tsy voakasika izany velively ny Lapam-panjakana Iavoloha sy ny faritrala manodidina », hoy hatrany ny fanambarana. Tonga teny an-toerana ny mpamono afo sy ireo miaramila miara misalahy namono ny afo.

(Jereo Sary Tohiny)

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.