HVM : Tsy hanatrika ny fihaonambe anio i Hery Rajaonarimampianina

  • samedi, 09 novembre 2019 07:48
  • Zakaria

Manatanteraka fihaonambe etsy amin’ny foibeny etsy Andraharo-Antananarivo ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) anio sabotsy 9 novambra 2019 tontolo andro. Manodidina ny 350 ireo mpizaika handray anjara amin’izany, ahitana ireo delege sy solontenan’ny antoko isam-paritra, tarihin’ny birao foibe. Tsy miatrika ity fihaonana ity ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.

Tsy hisy fanavaozana birao fa fandrindrana ny fiainan’ny antoko no hiompanan’ny lahadinika taorian’ny tsy nandraisan’ny HVM anjara tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka sy ny fifidianana kaominaly hatao amin’ny 27 novambra 2019.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.