Antsohihy: Mpamono olona haterina ao am-ponja, maty tsy tra-drano voafira antsibe

  • jeudi, 07 novembre 2019 22:42
  • Zakaria

Nandriaka ny rà teto Antsohihy androany. Lehilahy iray nanao heloka bevava, namono olona, no voasambotry ny mpitandro ny filaminana tao Antsakabary, Distrikan’i Befandriana Avaratra. Nentina ampidirina am-ponja teto Antsohihy izy io, androany, no narahan’ny fianakavian’ny maty sy ny vatan-dehilahy anatin’ny dina Besaboha.

Tsy nihambahamba ireto farany naka tamin-kery ilay voampanga, alohan’ny nidirana tao amin’ny fonja. Nokapain’izy ireo tamin’ny antsibe ka potika ny tanany, voafirafira ny tarehiny rehetra ka maty tsy tra-drano teo ambavahadin'ny fonja.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.