5 novambra: Misokatra anio ny fampielezankevitra ho an’ny fifidianana kaominaly

  • mardi, 05 novembre 2019 10:07
  • Zakaria

Talata 5 novambra amin’ny 6 ora maraina ka mifarana ny 25 novambra amin’ny 12 ora alina ny fotoan’ny fampielezankevitra ho an’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsain’ny tanàna. Voarara ny fanaovana fampielezan-kevitra ankoatra ireo fotoana ireo, hoy ny CENI.

Fahanginana ara-pifidianana ny talata 26 novambra 2019. Tsy misy fampielezankevitra azo atao intsony ary voarara ny fivarotana sy fividianana zava-pisotro mahamamo.

Ny 27 novambra 2019 no androm-pifidianana Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsain’ny tanàna, vata fandatsaham-bato roa samihafa no ampiasaina, tsy voatery hitovy ny laharana entin'ny Ben'ny tanàna sy ny Mpanolontsain’ny tanàna izay iray dia aminy, fa niankina tamin'ny fisarihana laharana natao ihany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.