EPP Belobaka- Mahajanga II: Alefa mody ny mpianatra tsy nahaloa saram-pisoratana anarana

  • lundi, 04 novembre 2019 19:13
  • Zakaria
  • Sary nomena

Mitaraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra manoloana ny fepetra raisin’ny mpitantana ny sekolly EPP eto Belobaka, Mahajanga II. Tsy tafiditra an-dakilasy izay tsy nahaloa saram-pisoratana anarana.

Manamarika ireo ray aman-dreny fa tsy misy mpampianatra FRAM ao amin’ity EPP Belobaka ity, ka tsy misy antony tokony handoavan’izy ireo vola raha toa ka handoavana tambinkarama, ny fanjakana rahateo efa nampanantena fa maimaimpoana ny fampidirana mpianatra amin’ity taom-pianarana ity.

Amin’ny 8 novambra 2019 no voalaza fa hisy fivoriana hanapahan-kevitra ny amin’ireo mpianatra tsy nahaloa saram-pisoratana anarana ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.