Tana Masoandro - Ambohitrimanjaka: Notsenain'ny olona tamin'ny horakoraka ny solotenan'ny prezidansa

  • mardi, 22 octobre 2019 17:38
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Ny ampahany faharoa tamin'ny iraka avy amin'ny prezidansa dia nidina teny Ambohitrimanjaka, izay notarihin'ny mpandrindra politika ankapobeny eo anivon'ny Prezidansa, Pierre Houlder sy ny Talen'ny serasera Rinah Rakotomanga, nihaona tamin'ireo mponina teny an-toerana.

Mijanona tanteraka aloha ny asa hoy ireto solo-tena, ka misy ny fifampiresahana ifotony ataon'izy ireo, fa ny vahoaka dia tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbary, tsy manakana ny Tanamasoandro izahay hoy izy ireo fa afindrao amin'ny toerana hafa.

Mbola nisy niasa ihany anefa teny, dia nangataka ny mpivory anajanonana ny asa, ka niantso avy hatrany ireto solo-tenan'ny prezidansa ampiatoana ny asa.

Nagataka ihany koa ny mponina Akadimanga ny hisian'ny fihaonana, ka rahampitso no hifanome ny fotoana ahafahana manatanteraka izany.

Nisy ny horakoraka nataon'olona teny, amin'ny fanehoana ny tsy faneken'izy ireo ny fakana ny taniny sy ny fanotofana ny tanimbary fivelomany. Fa nilamina ihany anefa ny dinika rehefa avy eo, izay notanterahina niaraka tamin'ireo solon-tenan'ny vahoaka.

Tsy niova anefa ny hevitr'ireto olona ireto fa tsy manaiky ny akana sy anotofana ny taniny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.