Tana-Masoandro: Tsy manomboka asa raha tsy milamina ny fifanarahana amin'ireo tompon-tany

  • mardi, 22 octobre 2019 15:10
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nandefa iraka manokana teny amin’ny Fokontany Anosibe Zaivola, Boriborintany faha-6, Antananarivo renivohitra androany 22 oktobra 2019 ny Filoham-pirenena, nihaino ny hetaheta sy fangatahan'ny mponina ary mijery ny vahaolana mikasika izany.

Nitarika ny delegasiona i Andriamananoro Augustin, Tale jeneraly misahana ny tetikasa eo anivon’ny Fiadidian'ny Repoblika, nahitana ny avy amin'ny Ministeran'ny Fanajariana ny tany (MAHTP), ny Ministeran'ny mponina (MPPSPF) ary ny Ministeran'ny fambolena (MAEP).

Nilaza ireto solontenan’ny Fiadidiana ny Repoblika ireto, fa tsy misy asa manomboka raha tsy milamina ny fifanarahana amin'ireo tompon-tany. Manangona ny isan'ny mponina sy ny asa fiharian'izy ireo ny Fanjakana.

Nizotra ampilaminana ny fihaonana sy fifanakalozana teo Anosibe Zaivola.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.