Vatolatsaka: Fiarabe mpitatitra olona nivadika, roa maty, 24 naratra ka voa mafy ny 9

  • mardi, 22 octobre 2019 14:55
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Fiarabe manao zotra Toliara miazo an’i Itampolo Androka no nivadika nony tao amin’ny Kaominina Vatolatsaka, Distrikan'i Betioky-Atsimo ny alin’ny alatsinainy 21 oktobra 2019. Niisa 64 ny mpandeha nentiny tamin’io. Namoy ny ainy ny roa, ka vehivavy bevohoka ny iray ary lehilahy ny iray. Naratra ny 24 tamin’ireo mpandeha, ka voa mafy ny 9 amin’ireo. Ny sasany nalefa notsaboina ao Bezaha sy Sakaraha ary Toliara.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.