Sakoroka teny Ambohitrimanjaka: Olona fito nahazo fahafahana vonjimaika, efatra arahi-maso ara-pitsarana

  • mardi, 22 octobre 2019 14:54
  • Zakaria

Natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ireo olona miisa iraika ambin’ny folo mianadahy mianaka, voarohirohy tamin’ny sakoroka naharatrana sivily sy zandary, ary nahasimbana zavatra ny harivan’ny alakamisy 17 oktobra 2019.

Nahazo fahafahana vonjimaika ny fito tamin’ireo voarohirohy, arahi-maso ara-pitsarana kosa ny efatra, samy afaka namonjy ny fianakaviany. Efa alina vao vita ny fihainoana azy ireo teny amin’ny Fampanoavana.

Fivorivoriana tsy nahazoana alanana, herisetra amin’ny mpitandro filaminana manao ny asany, daroka niniana natao, fanimban-javatra hanasoavana vahoaka. Ireo no vesatra nanenjehana azy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.