Ankatoko – Betsiaka: « Ravain’ny Sinoa ny tanànanay », hoy ny fitarainan’ny mponina

  • mercredi, 09 octobre 2019 13:53
  • Britto

« Trano manodidina ny zato no trongisina eto aminay Antanagnivo, Fokontany Ankatoko, Kaominina Betsiaka », hoy ny mponina, fa hoe : « ilain’ny Sinoa hakana vato ». « Tsy misy tombontsoanay » Fokonolona na dia kely aza anatin’izao zavatra izao. « Tsy misy fanajana zon’olombelona ». « Aiza ny fanjakana », sa « didin’ny besandry » no ampanjakaina eto, hoy i Frédéric nitondra teny azy ireo tamin’ny antso an-telefaonina.

« Tsy malaina ny hiala izahay fa aiza ny tombontsoanay hahafahanay manorim-ponenana an-toeran-kafa fa tsy ravaravaina fotsiny amin’izao ny tranonay izay nandaniana vola aman-tapitrisa maro », hoy hatrany izy.

Miantso ny haino aman-jery sy mpanao gazety izahay, hoy hatrany i Frédéric, hidina ifotony hijery ny zava-misy aty Ankatoko, Kaominina Betsiaka, Distrika Ambilobe.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.