Bakalorea: 23 - 26 oktobra 2019 ny «deuxième session exceptionnelle»

  • lundi, 07 octobre 2019 07:58
  • Britto

Hisy ny fanadinana bakalorea «deuxième session exceptionnelle» ho an’ny bakalorea ankapobeny, araka ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fandaharana manokana nataony tamin’ny haino aman-jery ny harivan’ny alahady 06 oktobra 2019.

Namoaka tetiandro ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa taorian’io, fa ny sabotsy 19 oktobra 2019 no heverina hamoahana ny valim-panadinana, ary ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 no hanaovana io «deuxième session exceptionnelle» io. Ireo mpiadina rehetra izay tsy nahomby tamin’ny fanadinana voalohany dia afaka miatrika io fanadinana io avokoa.

Nampitomboana isa ireo mpitsara ny taratasim-panadinana mba hanatanterahana io tetiandro io.

Nametraka ny “cellule de crise” ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho fanaraha-maso akaiky ny fizotry ny fitsarana ny fanadinana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.