Raharaha fivoahan'ny laza adina Bac mialoha: Nidoboka ny Proviseur Lycée Imerintsiatosika sy mpiadina 3

  • samedi, 05 octobre 2019 21:43
  • Tigre

Natao androany ny fitondrana ireo olona 7 voarohirohy tamin'ny famoahana mialoha ny laza adina Bakalorea, sy ny fanaparitahana izany. Notanan'ny fitsarana Arivonimamo, ary nidoboka am-ponja vonjy maika ny 4 tamin'izy ireo, ny Proviseur lycée Imerintsiatosika sady lefitry ny foibem-panadinana ao an-toerana; ny mpiadina roa (02) tao amin'ny Centre Maria Manampy Andohalo série D ary ny mpiadina iray tao amin'ny centre collège Saint Michel série D.

Tany Fianarantsoa kosa dia mbola tsy tontosa ny fanaterana ireo 17, izay voarohirohy amin'izao raharaha izao, eny anivon'ny fitsarana.

Manohy ny sava hao eny Anosy Avaratra, toerana fisitahan'ireo mpanao laza adina kosa ireo mpanao fanadihadiana ankehitriny, miaraka amin'ny taratasy fazahoan-dalana nomen'ny fitsarana. Raha ny masotsivana voalohany, dia niainga avy tao ny nipoiran'ny fivoahan'ny laza adina talohan'ny fotoana.

Mirindra miaraka amin'ireo tompon'andraikitra ny fanadihadiana ka tsy manakorontana ny tohin'ny fanomanana ny fanadinana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.