Antsirabe: Tamin'ny 12 ora vao nanomboka ny laza adina frantsay

  • jeudi, 03 octobre 2019 17:20
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nisavorovoro ireo ray aman-drenin'ny mpianatra hanala bakalorea teto Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra satria tara ora maro ny fanombohan'ny fanadinana androany maraina. Tamin'ny 10 ora sy sasany vao nigadona ny laza adina no nahatonga izany.

Nomena 30 minitra hivoahana hitadiavana sakafo ireo mpiadina dia nasaina niditra kanefa ny sakafon'ireo lavitra izay aterin'ny ray aman-dreniny tsy mbola tonga tamin'izany. Nisy mihitsy no nisendaotra noho izany satria tsy nahafantatra ny fiovana ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny fa nahandro sakafo tany an-trano.

Rehefa tonga teo anoloan'ny CEG Soamalaza sy ny Kolejy Immaculée misy ny foibem-panadinana vao tankina satria tsy nahazo nivoaka intsony ireo mpianatra misakafo.

Tamin’ny mitatao vovonana vao nanomboka ny laza adina frantsay teto Antsirabe.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.