Bakalorea 2019: Voasambotra ireo voarohirohy amin'ny laza adina nivoaka alohan'ny fotoana

  • mercredi, 02 octobre 2019 20:09
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Niaiky ny ministeran'ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa fa nisy ny fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, izay niteraka korontana tamin'ny foibem-panadinana sasany.

Nanao fanambarana ny ministera androany fa nisy ny fandraisana andraikitra avy hatrany ka efa voasambotra, ary efa eo ampelan-tanan'ny mpitandro ny filaminana, ary atao fanadihadiana ireo voarohirohy amin'izany.

Nisy koa fepetra manokana amin'ny fanohizana ny fanadinana bakalorea. Miantso ny fitonian'ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny ministera.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.