Papa Fransoa: Tonga soamantsara ao Vatikana

  • mercredi, 11 septembre 2019 11:05
  • Britto
  • Sary Vatican News

Ny talata 10 septambra 2019 tamin’ny 6ora hariva, 7ora eto Madagasikara, no nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Ciampino - Italia ny fiaramanidin’ny Air Madagascar nitondra ny Papa Ray Masina Fransoa, rehefa nanao fitsidihana Apostolika faha-31, taty Afrika (Mozambika-Madagasika-Maorisy). Naharitra ora sivy teo ny sidina, ary 7658 km ny halaviran-dalana natao tamin’izany.

Nijanona nanoloana ny Bazilikan’i Sainte-Marie-Majeure ny fiara nitondra an’i Papa Fransoa. Toy ny fanaony, rehefa hanao fitsidihana Apostolika sy tafaverina amin’ny dia ataony ny Papa, dia mivavaka, mitsaoka eo anoloan’i Marie Salus Populi Romani.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.