Omer Beriziky: Naveriny ny tranom-panjakana nipetrahany
- mardi, 10 septembre 2019 20:52
- Zakaria
- Sary nindramina
Naverin’ny Praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky, androany, amin’ny fanjakana ny tranom-panjakana izay nitoerany teo Ambodirotra – route Circulaire, Antananarivo.
Araka ny didim-panjakana laharana 2016-075, tamin’ny 04 febroary 2016, dia tokony hiala amin’ny tranom-panjakana, enim-bolana taorian’ny fiafaran’ny fotoam-piasany, ireo lehiben’ny Andrim-panjakana toy ny Praiminisitra, ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ary ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.
Ny ministeran’ny fitantanam-bola no mitantana ireo tranom-panjakana ireo.
Jean Omer Beriziky dia Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta tamin’ny tetezamita iraisana teo anelanelan’ny taona 2011 sy 2014.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
http://sobikamada.com/tselatra/item/20538-omer-beriziky-naveriny-ny-tranom-panjakana-nipetrahany.html#sigProGalleriaab7912a835
http://sobikamada.com/tselatra/item/20538-omer-beriziky-naveriny-ny-tranom-panjakana-nipetrahany.html#sigProGalleriaab7912a835
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.