Fifidianana: 158 hatreto no isan’ny taratasy firotsahan-kofidiana Ben’ny tanàna voarain'ny OVEC

  • mardi, 10 septembre 2019 20:45
  • Britto

Araka ny didy aman-dalana mifehy ny fifidianana dia hifarana ny alakamisy 12 septambra 2019 ho avy izao ny fametrahana ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsainan’ny tanàna manerana an’i Madagasikara voaray eny anivon'ny OVEC manerana ny Nosy.

Araka ny fanazavana nomen’i Andriamanantsoa Philibert Hervé, Filoha lefitra eo anivon’ny CENI nandritra ny tafa niarahana tamin’ny mpanao gazety androany tolakandro, dia 158 no isan’ny taratasy firotsahan-kofidiana Ben’ny tanàna voaray amin’ireo Kaominina 1695 manerana an’i Madagasikara, ary 52 kosa no isan’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho an’ny Mpanolontsainan’ny tanàna manerana an’i Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.