Soamandrakizay: Miantso vonjy ireo mpivarotra simba entana noho ny vovoka

  • mardi, 10 septembre 2019 15:37
  • Njaka
  • Sary Njaka

Miantso ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra hani-masaka teny Soamandrakizay, tamin'ny lamesa lehibe nataon'i Papa fransoa ny alahady teo, noho ny fahapotehan'ny entana vokatry ny vovoka, izay nitorajofo teny an-toerana, ka nahatonga ny fatiantoka mihoapampana tamin'izy ireo.

Ny AB EVENT moa no mpikarakara sy tompon'andraikitra voalohany tamin'ity hetsika teny Soamandrakizay ity, izay efa nanao ny fifanarahana tamin'ireo mpivarotra, ka nahatonga ny disadisa.

Mitentina eo amin'ny 600 000 ariary ny hofan'ny trano eva farany ambany, izay efa voaloa vola avokoa.

Ka miantso ny tompon'andraikitra izy ireo, mba hifampiresaka momba izao fatiantoka izao. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.