Robert Mugabe: Hatao amin’ny 15 septambra 2019 ny fandevenana ny nofomangatsiakany

  • lundi, 09 septembre 2019 12:35
  • Britto
  • Sary nindramina

Ho tonga amin’ity herinandro ity ao Harare, renivohitr’i Zimbabwe ny nofomangatsiakan’i Robert Mugabe, filoha teo aloha, izay nodimandry ny 6 septambra 2019 tany Singapour, toerana nitsaboany tena.

Hotanterahina amin’ny 15 septambra 2019 ny fandevenana. Tsy mbola voafaritra mazava hatreto ny handevenana azy, na ao amin’ny « Champ des héros de la Nation » na any Zvimba tanindrazany.

Misaona ny any Zimbabwe nanomboka ny zoma teo, araka ny nambaran’i Emmerson Mnangagwa, filoha amperinasa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.