Toamasina: Karana nisy naka an-keriny saingy votsotra teny an-dalana

  • vendredi, 09 août 2019 13:34
  • Britto

Lasibatry ny mpaka an-keriny i Iltaf Fibasom, Karana tompon’ny magazay « Fibasom » eo Bazary be. Ny alakamisy 8 aogositra tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany alina no nisehoany, tsy lavitry ny tranony amin’ny Bd Joffre iny.

Nosakanan’ireo andian-jiolahy mirongo basy ny lalana nombany raha iny izy hiditra ny tranony. Nitaky ny volamena sy safira tao an-tranony ireo mpaka an-keriny, niaraka tamin'ny basy poleta sy antsy lava.

Nilaza ity karana efa 65 taona ity fa tsy misy izany ao aminy. Dia nofatorandreo tady ny vadiny sy ny zanany tao an-trano, ary dia noteren’izy ireo hiverina niaraka tamin’ny fiara, nentiny tany amin’ny mangazay hakana vola any anaty « coffre ».

Tazan'ny vinantony anefa ny fiaran'ity karana ity, nefa olon-kafa no nitondra ny fiara fa tsy ny rafozany, izay izy hatrany no mpitondra ny fiarany.
Niantso ny fianakaviana avy hatrany izy, nefa tsy nisy nandray ny finday. Nandeha tany an-trano vao hita fa voafatotra izy mianaka, ka dia nampandre aingana ny mpitandro ny filaminana.

Ireo mpitandro ny filaminana moa efa nahetsika taorian'ny fivorian'ny OMC, ka dia nalaka nipetraka ireo sakana sy fisavana isaky ny kihon-dalana teto Toamasina.

Nalaky hita ny fiara toa somary efa nivilambilana ny fitondrana azy, ka avy hatrany dia nenjehin'ny mpitandro ny filaminana ary dia voasakana avy hatrany.
Hay efa ilay karana no nitondra ny fiara andeha hody, fa ireo mpaka an-keriny efa nitsoaka.

Afaka namonjy ny fianakaviany, omaly ihany, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina ilay karana.

Fantatra fa eo akaikin'ity karana ity dia misy hotely sy trano misy mpanao sera volamena sy safira, ka diso adriresy ve ireto mpaka an-kerina?

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.