Kitra – Lalaon’ny Nosy: Nihintsana tamin’ny antsapaka ny Barea JIOI

  • lundi, 22 juillet 2019 22:06
  • Britto
  • Sary nindramina

Tapitra ny dian’ny Barea teo amin’ny Lalaon’ny Nosy. Tafita ho amin’ny dingan’ny manasa-dalana i Seisela taorian’ny antsapaka natao io hariva io tao amin’ny hotely Intercontinental, namantarana izay hiaraka amin’i Maurice hanohy ny lalao amin’i Madagasikara sy Seisela izay nitovy isa tao amin’ny vondrona A.

Samy in-droa nanao ady sahala i Madagasikara sy Seisela, mitovy ny elanelan’ny baolina niditra sy tafiditra tamin’ny ekipa roa tonta. Niditra tamin’ny antsapaka, araka ny voalazan’ny lalàna mifehy ny lalao. Tafita i Seisela, tapitra hatreo ny lalana ho an’ny Malagasy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.