Fifidianana: Hiova ny tetiandro handraisana ny dosie firotsahan-kofidiana Ben’ny tanàna

  • lundi, 22 juillet 2019 16:43
  • Britto

Efa tokony nisokatra ny 20 jolay teo teny anivon’ny OVEC isaky ny Distrika manerana ny Nosy, ary hifarana amin’ny 3 aogositra ny fametrahana antotan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna, raha hotanterahina amin’ny 28 oktobra 2019 ihany ny fifidianana, araka ny tolo-kevitry ny CENI.

Mety hisy fiovana anefa io tetiandro voafaritra io noho ny tsy mbola nivoahan’ny didim-panjakana miantso mpifidy handatsa-bato.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.