Toamasina: Nisy nanafika ny tranon’ny Dr Johanita Ndahimananjara

  • lundi, 22 juillet 2019 16:37
  • Britto

Tamin’ny iray ora maraina ny sabotsy hifoha ny alahady no niseho ny fanafihana. Noteren’ireo jiolahy hanokatra varavarana ny mpiambina ary voakapoka ny lohany. Nisy ny poa-basy. Lasan’ireo olon-dratsy ny ordinatera entin-tanana iray sy milina fikajiana talohan’ny nahatogavan’ny polisy avy amin’ny sampana vonjitaitra sy ny Zandary.

Minisitra teo aloha ary kandida tao Toamasina I tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, Dr Johanita Ndahimananjara.

Misokatra ny famotorana sy fikarohana ireo olon-dratsy ; nisy olona nampiahiahy nifanena tamin’ny mpitandro ny filaminana teny an-dalana ka nosamborina nanaovana fanadihadiana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.