Ambodimandresy- Antsohihy: Rongony 20 gony saron’ny Zandary

  • lundi, 22 juillet 2019 13:53
  • Britto
  • Sary: ZP

Herinandro taorian’ny nahazoan’ny Kaompanian’ny Zandarimaria Antsohihy rongony 500kg tao Antsohihy dia rongony 20 kitapo milanja 229 kg ihany koa no tra-tehaky ny Zandary PMP 45 tao amin’ny Antobodrihabe, Fokontany Antobodriha, Kaominina Ambodimandresy, Distrika Antsohihy.

Vaovao azon’ny Zandarimaria avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahazoana ny vokatra. Natsipin’ireo andian’olona ny kitapo nobaben’izy ireo avy, rehefa tazan’izy ireo ny Zandary nitsongo dia omaly tolakandro. Voasambotry ny Zandary ny iray tamin’izy ireo rehefa nifanenjehana.

Nogiazana avy hatrany ireo rongony, miandry ny taratasin’ny fitsarana ny hamotehana sy handorana azy. Hatolotra ny Fampanoavana kosa ilay voasambotra aorian’ny famotorana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.