Fonjan’Ambalatavoahangy: Zandary efa tsy am-perinasa no nitarika fikomiana, roa naratra

  • samedi, 20 juillet 2019 22:30
  • Britto
  • Sary fanehoana

Nanaitra ny mponina manodidina ny fonjan’Ambalatavoahangy - Toamasina ny feom-basy nisesy androany sabotsy 20 jolay 2019, nanomboka tamin’ny 7ora sy sasany maraina hatramin'ny 10 ora maraina.

Rongony tra-tehaka tao am-ponja no niandohany. Ny zoma hariva no tratra ilay voafonja mpanao bizina rongony, dia nitohy androany ny raharaha. Nitarika namana hikomy ilay voafonja tratra fa hoe : voadaroky ny mpandraharaha ny fonja. Voafonja fito lahy izy ireo ka zandary efa tsy amperinasa no mpitarika tamin’izany.

Nataon’izy ireo takalon’aina ny mpandraharaha ny fonja namoha trano maraina androany. Telo lahy izy ireo, ary saika hataon’ireo voafonja fitaovana hitsoahana.

Teo no raikitra ny sakoroka, nitohy tamin’ny poa-basy tifi-danitra nataon’ny mpandraharaha ny fonja hanavotana ireo namany. Ireo voafonja mpikomy tetsy ankilany nidaroka ireo takalonaina teo ampelan-tanany, sy nitora-bato avy ao anatiny.

Naharitra adim-pamantaranandro roa teo vao voafehy ny raharaha. Voafonja iray sy mpiandry fonja iray no naratra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.