Fonjan'Ambalatavoahangy: Votsotra nataon'ireo gadra takalon'aina ny mpiambina fonja 3 lahy, vaky loha ny iray

  • samedi, 20 juillet 2019 13:39
  • Tigre

Tokony tany amin'ny 9ora maraina, raha andray ny asany ireto mpiambina fonja, no nirongatra ny gadra tao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy Toamasina, ka nahazo mpiambina telo nataon'izy ireo takalon'aina, ka nanereny ny mpiambina hafa hanokatra ny vavahadiben'ny fonja.

Feno tanteraka, ary mihoatra ny tokony ho zakan'ny fonja ny gadra tazonina ao, ary tsy nisy fanamboarana ny fonja taorian'ireny rivo-doza nanimba ny fonjabe ireny, ka dia misy vy sy vato ao amponja nampiasain'ireto gadra ireto.

Raikitra ny pao-vasy fanairana nataon'ireo mpiambina hafa, ka dia tora-bato no nasetrin'ireto gadra marobe ireto.

Votsotra teny ampela-tanan'izy ireo ihany ireto mpiambina telo lahy ireto, fa ny iray kosa dia vaky ny lohany tratran'ny herisetra sy tora-bato. Efa noentina notsaboina izy, ary efa milamina sy voafehy ny toe-draraha ankehitriny.

Manaitra ny tompon'andraikitra ireo misahana ny fandriam-pahalemana eny anivon'ny fonja, sy ny ao amin'ny fitsarana fa antitra sy feno hipoka ny fonjan'Ambalatavoahangy ka manasarotra ny asa fampandriana fahalemana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.