Mpampianatra FRAM: Haloa afaka andro vitsivitsy ny tambinkarama janoary – jona 2019

  • jeudi, 18 juillet 2019 22:17
  • Britto

Nivoaka ny talata teo ny fanomezan-dalana avy amin’ny fanjakana ireo DREN manerana ny Nosy handoa ny tambinkaraman’ireo mpampianatra FRAM. Tenimita tamin’ny 31 mey 2019 miaraka amin’ny lalàna fanitsiana ny tetibola no mitaky ny tsy maintsy ilana io fanomezan-dalana io vao afaka aloa ny tambinkaraman’ireo mpampianatra FRAM.

Efa mandeha ny fikarakarana rehetra mikasika izany amin’izao fotoana izao, ka raha ny loharanom-baovao dia haloa miaraka afaka andro vitsivitsy ny tambinkarama volana janoary ka hatramin’ny jona 2019.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.