Andriamena - Tsaratanana: Lehilahy 40 taona, nisy naka an-keriny

  • jeudi, 18 juillet 2019 19:28
  • Britto

Nitrangana fakana an-keriny tany Andriamena, Distrika Tsaratanana. Lehilahy iray manambady aman-janany, teratany Malagasy, manodidina ny 40 taona, tantsaha mpamboly sy mpiompy manana omby maro, izay fantatra amin’ny anarana hoe : Nesta no lasibatra.

Ny alarobia 17 jolay tamin’ny 9ora alina, no nitranga ny fakana an-keriny. Tsy mbola misy fitakiam-bola heno ataon’ireo mpaka an-keriny aloha hatreto.

Nisy naka an-keriny toy izao ihany koa ny mpivady, ray aman-drenin’i Nesta, tamin’ny janoary 2019. Ny taolambalon’izy ireo sisa no hita tapabolana lasa izay, dia izao misy tranga vaovao indray miseho amin’ny fianakaviana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.