RN42 Ikalamavony: Kamiao nivarina avy eny ambony tetezana, efatra namoy ny ainy

  • samedi, 13 juillet 2019 09:16
  • Britto
  • Sary nindramina

Kamiao nitondra vary avy ao Ikalamavony, hiazo an’i Fianarantsoa no tra-doza teo amin’ny tetezan’i Mangidy, amin’ny lalam-pirenena faha-42. Tapaka ireo tsivalan-kazo teo amin’ny tetezana rehefa nandalo ilay kamiao, ka iny no nitondra azy nivadibadika tany ambany tetezana.

Voatsindrin’ny vary ireo mpandeha niaraka taminy. Efatra no maty tsy tra-drano, niaraka amin’ny mpamily. Nisy zaza efatra ihany koa naratra.

Ny Zoma 12 jolay 2019 tokony ho tamin’ny 01 ora maraina no nitranga ny loza.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.