Barea an’i Madagasikara: Hotolorana mari-boninahitra ireo mpilalao ho fankasitrahana

  • vendredi, 12 juillet 2019 22:35
  • Britto

Hijanona mandritra roa andro eto Madagasikara ireo mpilalaon’ny Barea aorian’ny fahatongavany rahampitso, mialoha ny hamonjen’izy ireo indray ny klioba ilalaovany avy any ivelany any.

Tafiditra anaty fandaharam-potoanan’izy ireo ny handraisan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina azy ireo ao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, sy ny fiaraha-misakafo aminy eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, amin’izay koa no handraisan'ireo mpikambana mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra tsirairay avy ny mari-boninahitra ho fankasitrahana ny zava-bitan’izy ireo ho an’ny firenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.