Barea an’i Madagasikara: Ireo lalana handalovany amin’ny fatongavany

  • vendredi, 12 juillet 2019 19:54
  • Britto

Ny sabotsy 13 jolay amin’ny 3ora tolakandro no vinavinaina hahatongavan’ny fiaramanidina mitondra ny Barea an’i Madagasikara, avy niatrika ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika andiany faha-32 tany Egypta.

Araka ny fampahafantarana ataon’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena ao amin’ny pejiny facebook dia ireto avy ny lalana handalovan'ny Barea miainga avy eny Ivato: Talatamaty - Ambohibao - Digue - 67 Ha - Andavamamba - Ampefiloha - Anosy.

Eny amin'ny CCI Ivato no apetraka ny fiara rehetra ho an'ireo izay ho eny amin'ny seranam-piaramanidina hitsena ny Barea.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.