Adrien Melvin: « Izay no vokatra, ny hoavy no banjinina »

  • vendredi, 12 juillet 2019 12:45
  • Britto
  • Sary: Adrien Melvin

« Niezaka mafy izahay mba nanome hafaliana ho an'ny Malagasy rehetra », hoy i Adrien Melvin, mpiandry haraton’ny Barea an’i Madagasikara taorian’ny faharesen’ny ekipam-pirenena malagasy teo amin’ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika andirany faha-32, nanoloana an’i Tonizia.

« Izay no vokatra, ny hoavy no banjinina ; Misaotra sy mankasitraka ho an'ny Malagasy rehetra », hoy izy nanohy.

Rahampitso tolakandro no higadona eny Ivaro ny Barea an’i Madagasikara. Maneho ny faniriana i Adrien Melvin mba hampitaina mivantana amin’ny Televiziona Malagasy ny fahatongavan’ny Barea « mba ho hitan'ny rehetra manerana an'i Madagasikara ny firaisankinam-pirenena », hoy izy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.