Madagasikara # Tonizia: Ilay Kameroney Alioum Néant no mpitsara hitantana ny lalao

  • jeudi, 11 juillet 2019 10:52
  • Britto
  • Sary nindramina

Alioum Néant, teratany kameroney, no mpitsara afovoany hitantana ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika andiany faha-32, hifandonan’ny Barea an’i Madagasikara amin’ny Voromahery Tonizianina anio alina ao amin’ny kianja Al Salam Stadium ao Le Caire, Egypta.

Ilay Frantsay, Benoit Millot, kosa no mpitsara hisahana ny VAR (Video Assistant Referee).

Alioum Néant no nitsara ny lalao vaolohany fanokafana ity CAN 2019 ity, ny 21 jona 2019, nifandonan’i Egypta mpampiantrano tamin’i Zimbabwe, tao amin’ny vondrona A. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 1 noho 0 i Egypta tamin’io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.