Kitra-CAN 2019: Boeing 737 roa no nitondra mpanohana an’ny Barea lasa any Egypta

  • jeudi, 11 juillet 2019 10:23
  • Britto

613, io ny isan’ny mpanohana an’ny Barea an’i Madagasikara nandray fiaingana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato halina. Nisy fitomboany io niohatra tamin’ireo mpanohana lasa tany Alexandrie tamin’ny ampahavalon-dalana, izay niisa 471. Fiaramanidina Boeing 737 anankiroa an’ny kaompania Air Madagascar no nitondra ireto mpanohana an’ny Barea niazo an’i Le Caire Egypte, hiatrika ny lalao ampahefa-dalana ireto.

Anio amin’ny 10 ora alina, ao amin’ny Stade International ao Caire no hatao ny lalaon’i Madagasikara sy Tonizia. Hihaona amin’i Sénégal amin’ny manasa-dalana izay tafavoaka mpandresy eo.

Any an-toerana hijery ity lalao ity ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ankohonany, miaraka amin’ireto mpanohana 613 nentin’ny fiaramanidina ireto.

Rahampitso maraina no hiverina an-tanindrazana. Mety hihemotra ny tolakandro na ny hariva anefa ny fahatongavan’izy ireo raha mahazo fandresena manoloana ny Voromahery Tonizianina isika, satria mbola hanana fotoana hiara-mifaly amin’ny mpilalao malagasy izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.